French flagpolish flagspanish flag

Ny olana lehibe indrindra any Amerika : Ny rafitry ny trosa ara-bola !

Written by Melvin Sickler on Friday, 19 January 2018. Posted in Lahatsoratra

Ny Rafitra Tahiry Federaly anjakan’ny kolikoly

Raha manotany ny Amerikanina ny dikan’ny hoe Tahiry Federaly ianao dia mety ho toy izao no havaliny : io no sampam-pajakana Mpamoaka ny vola rehetra ampandehanana an’i Etazonia (Amerika). Indrisy anefa, fa izany hevi-diso izany no fantatry ny ankabeazan’ny Amerikana : Fa ny Tahiry Federaly dia Sampam-panjakana. Satria, nampiasaina ara-bakiteny angamba ilay teny hoe Federaly. Ary izany indrindra no katsahin’ireo Mpanjanabola, dia ny tsy fahafantaran’ny vahoaka ny zava-misy marina.

Indro hohazavaiko amin’ireto andian-dahatsoratra manaraka ireto ny tena dikan’ny hoe Tahiry Federaly sy ny fampiasana azy hitantanana an’i Etazonia(Amerika). Ilay boky an’isan’ny mahaliana nosoratan’i Sheldom Emry, nampitondrainy ny lohateny hoe « Ny vola an’arivo tapitrisa ho an’ireo Mpanjanabola – ny trosa ho an’ny vahoaka » moa no nampiasaiko ho loharanon-kevitra.

Orinasa tsy miankina amin’ny fanjakana

Ny zavatra tsy maintsy fantatra dieny mialoha, dia tsy sampam-panjakana araky ny niheveran’ny maro azy akory ny Tahiry Federaly. Orinasa tsy miankina tantanan’ny Mpanjanabola izy io, ka noho izany dia ampiasainy hanangonam-bola ho azy amin’ny alalan’ny fambotriana fa tsy ny fanasoavana ny vahoaka.

Tamin’ny fotoana nanoratan’ireo Razambe Mpanorina ny fanjakana amerikana ny Lalampanorenanan’i Etazonia(Amerika) tany amin’ny taona 1700, dia nambaran’izy ireo mazava ao amin’ny andininy voalohany amin’io Lalampanorenanan io fa :

Ny Kongresy dia tokony hanana Fahefana hamorona sy hifehy ny vola sy ny sandany

Noho izany dia fanirian’ireo mpanorina ny fanjakana amerikana ny hananan’ny Kongresy Federaly fahefana amin’ny Famoronana vola sy fanarahamaso ny fampiasana azy. Tokony ho eo am-pelatananan’ny Kongresy Federaly izany fahefana izany fa tsy fehezin’ireo Mpanjanabola tsy miankina izay afaka mitaky zanabola mihoa-pampana sy tena afaka mifehy ny firenena amin’ny alalan’ny fifehezany ny vola. Efa tsapan’izy ireo ny hafetsen’ireo Mpanjanabola satria sahy niloa-bava i Mayer Anselm Rothschild, Mpanjanabola Eoropeana ngezalahy, nanao hoe : « Omeo alàlana hamoaka sy hifehy ny volan’ny firenena iray aho, fa tsy ahoako akory izay Mpanao ny lalànan’izany firenena izany ». Nino tokoa ireo mpanorina ny fanjakana amerikana fa tokony hifampizara ny tombotsoa azo amin’ny famoronana ny vola ny olon-drehetra, fa tsy ny Mpanjanabola tsy miankina irery ihany. Ka noho izany dia ny Fanjakana Foibe ihany no tokony ho Mpamorona ny vola.

Inona àry ny zava-nitranga ! Taona maro taorian’ny nanaovan-tsonia ny lalam-panorenana amerikana dia sady notantanina araky ny lalàna sy tsy araky ny lalàna ny volam-pirenena, ka namoronan’ireo Mpanjanabola ny tetika rehetra mba ahafahan’izy ireo mitantana ny volam-pirenena.

Ny lalàna Tahiry Federaly

Tonga anefa ny tsy azo anoharana iray andro mialoha ny Noely, ny taona 1913, rehefa nolanian’ny Kongresy amerikana ny lalàna Tahiry Federaly. Lalàna izay manala ny fahefany fa mamindra an’izany kosa hoan’ireo Mpanjanabola tsy miankina izay manambara ny tenany fa Fivondronan’ny Tahiry Federaly.

Ny fandaniana an’io lalàna Tahiry Federaly io no nahatonga ny fananganana ny Fivondronan’ny Tahiry Federaly izay Manana Filankevi-pitantanana. Ka mizara ho Fivondronana Tahiry Federaly 12 i Etazonian’i Amerika.

Io lalàna vaovao io no nanàla tanteraka ny fahefan’ny Kongresy hamorona na hifehy ny famoronam- bola ka nanome an’izany fahefana izany ho an’ny Fivondronan’ny Tahiry Federaly. Ny Fahefana Federaly no manonta vola Tahiry Federaly izay mbola ekena ny ampiasan’ny olom-pirenena Amerikana azy mandrak’ankehitriny.

Tokony ho fantatsika anefa fa ireo vola navoakan’ny Tahiry Federaly ireo, izay ampiasain’ny firenena Amerikana dia tsy azo heverina ho vola araky ny lala-panorenana. Mety hametra-panontaniana ianao ka hanao hoe : fa inona àry no antony ? Satria nandika ny lalam-panorenan’i Etazonia ny Kongresy tamin’ny nandaniany an’io lalàna Tahiry Federaly io. Voalazan’ny lalàm-panorenana mazava tsara mantsy fa ny Kongresy irery ihany no no tokony hanana fahefana hamorona sy hampanan-kery ny vola hoan’ny firenena.

Mety hanontany ny sasany hoe : Inona moa no olana raha ohatra ka ny iray amin’ny Kongresy sy ny Mpanjanabola tsy miankina no mamorona ny vola ? Io no eken’ny olona rehetra fa mitovy amin’ny fitaovam-pifanakalozana ahafahana mifanakalo ara-barotra.

Eny, ny vola Tahiry Federaly dia ekena fa fitaovam-pifanakalozana eo amin’ny mponin’i Etazonia. Trosa anefa izany vola izany satria misy zanabola takiana isaky ny iray dolara foronina fa tsy vola noforonina akory ny zanabola. Indro misy ohatra iray hoentiko manaporofo an’izany.

Tetika ahazoam-bola

’Ndeha ary ataontsika hoe mila vola 1 000 000 000 Dolara ny Governemanta Federaly, taorian’ny fotoana nanangonany ny hetra, mba hahafahany mamatsy ny tetika asa ataony. Satria tsy manana an’izany vola izany izy sady efa nesorin’ny Kongresy tsy ho eo aminy intsony ny fahefany hamorona vola, dia tsy maintsy manatona ny Tahiry Federaly ny Governemanta. Ny antony dia io no miandraikitra ny famoronanana ny vola hoan’ny firenena. Tsy afaka ny hanome ny volany amin’izao fotsiny anefa ny Tahiry Federaly ! Mazoto ny hanome an’io vola arivo tapitrisa dolara io na lelavola na sora-bola hoan’ny Governemanta Federaly ny Mpanjanabola raha ohatra ka manome azy ny fankatoavany ny hanefa ny trosany ny Fanjakana Federaly – ary miaraka amin’ny zanabola ! Dia omen’ny Kongresy alalana ny sampan-draharaha Tahirim-bolam-panjakana hanonta ny vola arivo tapitrisa dolara araky ny tararatasim-bolan’i Etazonia izay omena an’ireo Mpanjanabola ao amin’ny Tahiry Federaly.

Rehefa avy eo dia aloan’ny Tahiry Federaly ny saran’ny fanontana ny vola arivo tapitrisa dolara(1000 dolara eo ho eo). Dia ataony ny takalo, ka ampiasain’ny Governemanta hanefany an’ireo adidiny io vola io.

Inona ary novokatr’izany takalo izany ankehitriny ? Ny vola arivo tapitrisa amin’ny kaontin’ny Governemanta dia voaloa, saingy lasa hananan’ny Governamanta trosa hoan’ny Mpanjanabola ny vahoaka noho ilay vola arivo tapitrisa dolara, izay mbola tsy maintsy aloa ihany koa ny zanabolan’io. Satria tsy noforonina akory ny zanabola fa takiana amin’ny vahoaka !

An’arivony maro hoatr’izany ny takalo efa nisy nanomboka ny taona 1913, ka mandrak’ankehitriny dia ananan’ny Mpanjanabola trosa 5 000 000 000 000 dolara ny Fanjakana amerikana, ka mandoa efajato arivo tapitrisa isan-taona hanonerana an’izany ny vahoaka. Marihina fa ny zanabola ihany no mety ho voaloa amin’izany fa tsy azo eritreretina mihitsy ny andoavana ny renivola. Noho ny zanabola takiana amin’ny vola noforonina dia mandoa mihoatra lavitry ny nindraminy foana ny mpindram-bola ; ka mahazo mihoatra lavitra noho izay nampindraminy foana ny Mpanjanabola.

Ambonin’izany rehetra izany dia afaka mamorona vola 15 arivo tapitrisa hafa indray ara-dalàna ny Tahiry Federaly avy amin’ilay vola arivo tapitrisa dolara azony avy tamin’ilay taratasim-bola fifanarahana tamin’io takalo io. Io vola vaovao noforonina io dia hampisamborina ny Fanjakana, ny fanjakana isan-tokony, ny mpandraharaha ara-toekarena sy ny olon-tsotra. Raha ampifanampiana amin’ilay 1000 tapitrisa dolara voalohany izany ity farany dia afaka mamorona sora-bola 16 arivo tapitrisa dolara hampisamborina izay andoavana zanabola ry zareo ; ka 1000 dolara ihany no laniny amin’ny fanontana ny arivo tapitrisa dolara voalohany nampindramina ny Governemanata. Tsy tena habibiana mihitsy ve izany ?

Famoronam-bola

Tokony hohazavaintsika eto angamba ny tian-kambara amin’ny hoe « mamorona ». Raha mampiasa an’io voambolana io isika dia ny fomba arahina hampisy sy hampanankery ny vola no tiana ho lazaina. Mamorona vola avy amin’ny tsy misy tsotra izao ny Mpanjanabola avy amin’ny fanoratana tarehimarika amin’ny boky firaketana ary mampisambotra amin’izany vola tarehimarika izany hoan’ny vahoaka amerikana. Avy amin’io no anomezana azy alalana hanoratra taratasimbola amin’ny tarehimarika mirakitra amin’ny kaontiny ka hitakiana zanabola aminy. Tsy zavatra hafa akory ny vola fa tarehimarika ihany, na tarehimarika amin’ny boky firaiketana izany, na amin’ny taratasim-bola, na amin’ny vola dolara. Amin’ny fanarahana an’io fomba io dia eken’ny lalàna ny hampindraman’ny banky vola in-50 avo heny noho ny petra-bolany ; ka afaka mamorona vola avy amin’ny tsy misy nefa mampanjana-bola. Hita fa tena fanambakana tsotra izao izany !

Ny Tahiry Federaly indray avy eo no manonta ny vola taratasy fampiasa eny rehetra eny, dia ny lelavola Tahiry Federaly avy amin’ny fanoratana tarehimarika amin’ny takilan-taratasy mora vidy. Mora vidy satria mitovy ihany ny vola lany amin’ny famoronana lelavola 1 dolara sy lelavola 10.000 dolara : samy tsy ampahafirin’ny iray dolara akory aza ! Tena mora kely ny fanaovana vola, ary na iza na iza eken’ny lalàna hamorona ny volan’ny firenena dia afaka hanangona mason-karena mihoa-pampana.

Ny trosan’ny firenena

Tena tafahitsoa lalina amin’ny trosa mihitsy i Etazonia nanomboka tamin’ny nandaniana ny lalàna Tahiry Federaly.

Tamin’ny taona 1910, talohan’ny nandaniana an’io lalàna Tahiry Federaly io dia 1000 000 000 dolara monja ny trosa Federaly, na 12,40 dolara isaky ny olom-pirenena. Hoatry ny tsy nisy akory izany hoe trosa isam-panjakana mizaka tena sy ny isam-paritra izany.

Ny taona 1920, 6 taona monja taorian’ny hafetsifetsena nafitsoky ny Tahiry Federaly, dia tafakatra 24 000 000 000 dolara(24 arivo tapitrisa dolara) ny trosa federaly na 228 dolara isan’olona

Ny taona 1960 dia nahatratra 284 000 000 000(284 arivo tapitrisa dolara) ny trosa federaly, na 1575 dolara isaky ny olom-pirenena dia tsy nitsaha-nitombo ny trosam-panjakana sy ny isam-paritra.

Mandrapahatongan’ny taona 1981 dia efa nihoatry ny 3 000 000 000 000 dolara sahady ny trosa federaly, ary dia nitombo tsy nisy hoatr’izany, ka nitombo avo telo heny ny tahan’ny zana-bola azon’ny Mpanjanabola. Lasa betsaka nohony trosa federaly aza ny trosa isam-pajakana sy ny isam-paritra, ary raha miaraka amin’ny trosan’ny mpandraharaha sy ny an’olon-tsotra dia tsy latsaky ny 6 000 000 000 000 dolara, izany hoe avo telo heny raha miohatra amin’ny vidin’ny velaran-tany sy ny trano rehetra misy any Etazonia

Ny taona1992, ny trosa federaly irery ihany dia efa nihoatra ny 4 000 000 000 000 dolara. Ary ny taona 1996 dia nahatratra 5 000 000 000 000 izany tarehimarika izany, izay tsy mitsaha-mitombo.

Raha amin’izao endriny izao, na hosoratana amin’ny Mpanjana-bola i Amerika iray manontolo dia mbola misy in-telo hafa hoatr’izay vao afaka ny handoavana ny trosan’ny Mpanjana-bola. Dia mitombo foana tsy an-kijanona ny trosa. Tsy azon’ny vahoaka an-tsaina akory fa baboina tsotra izao izy !

Dia lasa mpitrosa sy andevon-trosa amin’ny Mpanjana-bola sy ny tariny ny vahoaka eo amin’ny tanin-drazany. Dia ny zanaka aman-jafy sy ireo taranaka rehetra any aoriana no handoa ny trosa. Ankehitriny dia mihamiakatra ny hetra takiana haloan’ny tsirairay mba hihezahana hanefa ny ampahany amin’ny zana-bolan’ny trosa, aza manahy ny amin’ny tena trosa fa mbola tsy ampy ny vola noforonina handoavana azy roa miaraka !

Ho tonga ary ny fotoana tsy ananan’ny fanjakana sy ny vahoaka na inona na inona fa ho lasan’ny Mpanjana-bola daholo ny fananany iray manontolo ! Mihamihatra amintsika ny fanandevozana noho ny rafitra ara-bolan’ny firenena !

Olana ara-toekarena tany Amerika

Efa tsinjo dieny izao fa hitranga tsy ho ela any Amerika indray ny olana ara-toe-karena. Mety hisy hametra-panontaniana hanao hoe : Misy ifandraisana amin’ny asan’ny Tahiry Federaly ve izany ? Tena misy tokoa !

’Ndao ary hanao jery todika ny taona 1930 raha tsaroantsika tsara ny fotoana nitrangan’ny olana lehibe ara-toekarena tany Amerika. Nandritra izany fotoana izany dia nanana mpiasa mazoto no sady mahay i Amerika, nanana tany mamokatra, rafi-pitaterana mahomby sy avo lenta ary indostria maro ; raha tsorina dia nananany avokoa izay rehatra ilaina hananganana firenena manan-karena – ny rehetra mihitsy afa-tsy ny fanomezana vola ampy amin’ny fapandehanana ny fifanakalozana ara-barotra.

Vitsy ny olona nahafantatra fa notazomin’ny Mpanjana-bola tsy navelan’ny hivezivezy ny vola valo arivo tapitrisa dolara ($8 000 000 000) avy amin’ny alalan’ny tsy fanomezana trosa ho ny mponina, no sady nitaky trosa amin’izay ananany ; amin’izay dia vetivety fotsiny no manaisotra ny vola tsy hivezivezy ampiasain’ny olona nefa tsy soloina akory rehefa avy eo.

Io fomba fifehezana ny fitantanana ny vola io no nahatonga an’i Amerika ho tafiditra tamin’ny olana lalina. Tsy ny asa akory no tsy ampy na ny vokatra no tsy ampy ho vidina, fa ny vola mihitsy no tsy nisy. Dia nariam-potsiny tany an-dranomasina ny sakafo nefa ny olona matin’ny hanoanana. Lasa tsy an’asa ny 25 isan-jaton’ny mpiasa. Nalain’ireo Mpana-bola lian-karena ny an’alinalina amin’ireo tany famokarana, ny trano sy ny fananana ara-barotra.

Mety tsy hino aza ianao fa na ny sasany amin’ireompahay toe-karena dia naome tsiny dia te-hanome tsiny an’Andriamanitra noho izao olana ara-toekarena rehetra izao. Ny sasany moa dia nanome tsiny ny mpanao politika. Nefa mbola nanome tsiny ny mpanjifa ihany ny sasany satria tsy nandany ny volany am-pahendrena ireto farany. Fa ny marina dia ity : tetika avy amin’ny Mpanjanabola no nahatonga an’io olana ara-toekarena io noho ny fanamboamboarany ny fitantanam-bola.

Mba hialana amin’ny olana ara-tokarena dia nindrana volabe avy tamin’ny Mpanjanabola ny fanjakana amerikana mba hoan’ny kojakoja ara-miaramila, izay nampisy indray ny vola hifanakalozana. Naverina hiasa toy ny teo aloha ny olona, dia nanomboka nivelatra ny orinasa, ny tantsaha moa afaka nivarotra ny vokany, ka dia niroborobo ny toe-karena.

Mbola ireo Mpanjanabola ireo ihany, izay tsy nanana vooa hampitrosaina hoan’ny isan-trano mandry fahalemana, hoan’ny sakafo sy fitafiana no nanana tampotampoka teo vola an-tapitrisany maro hampindramina ny Governemanta noho ny ady. Ny firenena izay zary raha afaka namelona ny vahoakany taona vitsivitsy lasa dia indro sahady fa afaka nanamboatra bomba maro omena maimaim-poana ireo mpiara-dia aminy. Moa tssy mahagaga ve izany ? Eny mahatalanjona tokoa ! Ka raha heverina dia izao no mahatonga izany : ny Mpanjanabola vitsivitsy izay milaza ny tenany fa Fikambanana Tahiry Federaly no eken’ny lalàna fa hanan-jò hamorona sy hifehy ny vola hitanatanana ny firenena – arak’izay hitiavany azy !

Tahak’izao ny nambaran’i Filoha Woodrow Wilson ny mikasika ny Tahiry Federaly : « Ny firenan-dehibe matanjaka ara-indostria dia fehezin’ny rafitra fampisamboram-bola eo aminy. Mivangongo amin’ny toerana iray rafitra fampisamboram-bolantsika. Ny fivoaran’ny firenentsikasy ny asa ataontsika rehetra dia eo ampelatanan’ny olom-bitsy. Ny fitondram-panjakantsika no lasa an’isan’izay tena voafehifehy sy voabaikobaiko indrindra. Tsy mba an’isan’irony fitondrana manana fahalalahana haneho hevitra irony izy, na mba manana ny mahaizy azy ary anjakan’ny hevitry ny maro an’isa, fa fitondrana izay fehezin’ny hevitra sy faneriterena ataon’andian’olombitsy. »

(Taloha kelin’ny nahafatesany dia nambaran’ i Atoa Wilson tamin’ireo namany hono fa « diso fanantenana » izy ary nampiany koa hoe « namadika ny tanindrazako aho ». Ny lalàna Tahiry Federaly nolaniana tamin’ny fotoana naha filoha azy moa no tiany ambara amin’izany.)

Fisian’ny kolikoly izay tsy mampino

Fantasika fa ny Mpanjanabola , ireo mpifehy ny ny fir enena amin’ny fomba an-kolaka, dia minia manao izay hampisy ny ady, ka izy no mamatsy ara-bola ny andaniny sy ny ankilany mpifanandrina , mampatahotra ny vahoaka ho voatery hitrosa vola an-tapitrisa dolara mba hiarovany ny fireneny. Eny, na hatramin’ny Kaominisma aza dia vatsian’ny Mpanjanabola, nefa dia izy ireo ihany no manohitra an’izany ka mahazo famatsiam-bola avy any ivelany mba hampijanonana ny Kaominisma izay novatsiany !

Tsy misy dikany aminy akory ireo tanora an’aliny maro kilemaina ara-batana sy mitondra takaitra ara-tsaina. Ny tena marina dia tsy misy antony akory na iza no resy naiza no mandresytamin’ny ady raha raha mbola ananan’ny Mpanjanabola trosa ireo firenena ireo.

Ingahy Henry Ford Rainy moa dia efa nilaza fa : Ny tanora afaka mamaha ny olana ara-bola dia ahavita betsaka amin’izao tontolo izao noho izay vitan’ireo miaramila mpiady za-draharaha voaraikitry ny tantara. Mino aho fa ho fantatrao mpamaky ny anton’izany !

Hita fa fanahy inian’ireo Mpanajanabola mihitsy ny hampanjaka ny kolikoly eo amin’ny olona mba tsy ho sarotra aminy ny hifehy azy ; dia hakipily tanteraka ny soa toavina toy ny fanaovantsoa , ny fivavahana, ny fianakaviana ary ny fitiavan-tanindrazana.

Amporisihiny kosa anefa ny fidorohana zava-mahadomelina, ny fibobohana toaka, ny fahavetavetana, sy ny habibibana. Fomban’izy ireo ihany koa ny minia misakana tsotra izao ny fanasitranana ireo aretina isan-karazany, mandrangitra ny fisavorovoroana ara-pirazanana sy eo amin’ny fiaraha-monina, ary mampihen-danja ny rafi-panabeazana.

Ny vahaolana fara-tampony

Dieny izao dia tokony hanaiky marina ny rehetra fa ny hany vahaolana tena mahomby hamahana ireo olana misy eo amin’ny lafiny ara-bola dia ny hanerena ny Governemanta mba hanafoana ny lalàna Tahiry Federaly nolaniana tamin’ny taona 1913, ary hangataka amin’ny Kongresy mba ahazoany mamorona sy mifehy ny volan’ny firenena, hamoahany lelavola hoan’i Etazonia, eken’ny lalàna, izay sady tsy mitaky trosa na zana-bola. Ny filoha amerikana John F. Kennedy dia efa nanomboka nanao an’io taloha kelin’ny namonoan’ny olona azy ho faty !

Tsy hisy Mpanjanabola tsy miankina intsony afaka handroba ny vahoaka raha misy ny fiovan’ny rafitra ara-bola. Ny bankim-panjakana, eo ambany fifehezan’ny solon-tenan’ny vahoaka, no afaka mamoaka sy mifehy ny vola sy ny fampisamboram-bola. Ny fampisamborana 60 000 dolara hanamboarana trano amin’izay dia mitaky fandoavana trosa 60 000 dolara ihany(miaraka amin’ny saram-pikarakarana), fa tsy ho 255 931 dolara araky ny misy amin’izao. Ny tsirairay izay manome tanana sy fitaovana hanamboarana ilay trano dia samy handray ny karamany mitovy amin’ny efa misy amin’izao, fa ny Mpanjanabola kosa dia tsy ahazo ny 195 931 dolara ho zana-bola.

I Amerika afa-trosa dia midika fa tsy voatery hiasa ny renim-pianakaviana, fa afaka hikarakara ny tokatranony sy ny taranany. Dia hihena haingana ny ditran-jatovo. Ny fanafoanana ny fitakiana zana-bola amin’ny fampindramam-bola sy ny famafana trosa dia mitovy amin’ny fitomboan’ny fahafaha-mividy ho 50% isaky ny mpiasa. Tsy ho afaka ny hangalatra ireo zanabola an’arivony dolara isan-taona avy amin’ny vahoaka intsony ireo Mpanjanabola. Dia ho lasa tsiriritin’ny firenen-drehetra i Amerika noho izy ho lasa matanjaka sy miroborobo lavitra noho izay nofinofin’ny olom-pirenena.

Raiso avy hatrany ny andraikitrao !

Aelezo ity lahatsoratsa mikasika ny Tahiry Federaly ity any amin’izay toerana misy anao, na hoan’ny mpitondra fiara na hoan’ny isan-trano. Resaho any amin’ireo fikambanana isan-karazany sy any amin’ny fiarahamonina misy anao mba hanairanao azy amin’ny zava-misy marina.

About the Author

Latest Issue

Donate

Donate

Go to top
JSN Boot template designed by JoomlaShine.com