French flagpolish flagspanish flag

L'Ile des naufragés na ilay nosy niantefan'ireo sisa tsy rendrika

Written by Louis Even on Wednesday, 01 January 1936. Posted in Lahatsoratra

Angano mampahafantatra ny misterin'ny vola

"L'île des naufragés" dia anisan'ny asa soratra voalohany nosoratan'i Louis Even, ary anisan'ny malaza indrindra tamin'ny fampa-hafantarana ny fiandohan'ny vola. Nantonta amin'ny endrika gazety 8 pejy izy io ary azo afarana any amin'ny Vers demain, amin'ny fiteny samihafa : Frantsay, anglisy, espanola, italianina. alemanina." polonai"s, ary "portugais". Indro ilay angano amin'ny teny malagasy.

 


 

1- Avotra tamin'ny sambo rendrika

Avotra tamin'ny sambo rendrikaVaky ny sambo vokatry ny fipoahana tsy fanta-pihaviana. Samy namikitra tamin'izay zavatra afaka mitsingevana voatsirambin'ny tanany ny tsirairay. Dimy sisa tafaray nitsingevana tamin'ny vakin-tsambo entin'ny onja amin'izay tiany. Ny ankoatran'izay, tsy nandrenesam-baovao.

Nandritra ny ora maro dia samy nandinika ny fara vodilanitra ireo sisa velon'aina, sao misy sambo mandalo mety hahita azy ireo. Ho aiza ny diany, mba hisy mpamonjy ve?

Tampoka teo, nisy nihiaka: "io misy tany, hitanareo! Mifanandrify indrindra amin'ny lalana itondran'ny onjandrano antsika."

Rehefa nihananatona, dia indro tokoa fa hita miharihary ilay nosy, ary dia niverina koa ny fanantenan'ireto sisa velon'aina.

Dimy izy ireo ary samy eropeanina avokoa.

Francois, sady vaventy no matanjaka, mpandrafitra no nahita voalohany ilay nosy ka nihiaka hoe tany.

Paul, mpamboly, izay hitanareo eo aloha somary ankavia, mandohalika, ny tanany ilany amin'ny tany ary ny ilany amin'ny andry mihazona ilay lakana.

Jacques, mpiompy, manao pataloha mitsipitsipika, mandohalika izy eo amin'ny sary sady mijery any amin'ny toerana voatondro.

Henri dia mpamboly ihany koa, manam-pahaizana manokana momba ny voly an-jaridaina sy ny fambolena voankazo, somary matavitavy, mipetraka ambony vata hany voavonjy nandritra ny fahavakisan'ny sambo.

Thomas, mpitrandraka harena an-kibon'ny tany, izy ilay mitsangana avy eo aoriana, mitehina amin'ilay mpandrafitra.

2- Ilay nosy nifaharana

Ilay nosy nifaharanaNandia tany indray! Izay no fiainana vaovao ho an'ireto havantsika ireto.

Nohamainina ny vatana, natao izay nahazoana hafanana, avy eo dia ny hamantatra ity tany vaovao no tena nahamaika an-dry zareo, tsy misy tantara tsy misy fahalalana. Nifanaraka ry zareo fa hatao hoe "L'Ile des naufragés" no anaran'ilay nosy, izany hoe ilay nian-tefan'ireo sisa tsy rendrika.

Rehefa vita ny fitsidihana amin'ny ankapobeny ny ho fonenana vaovao dia velom-panantenana tanteraka ireto vahiny. Tsy karankaina ilay nosy ary ry zareo irery no mponina ao. Efa nisy nonina ihany teo taloha, hita soritra izany tamin'ny alalan'ireo karazana biby fiompy izay efa lasa dia, hitany tetsy sy teroa. Ilay mpiompy moa avy hatrany dia nanome toky fa azo atao tsara ny mamolaka ireo biby ireo mba ahazoana vokatra tsara. Etsy anda-nin'izany, Paul koa dia nahatsapa fa mahavokatra tsara ny ankamaroan'ny faritra eo amin'ilay nosy, nahitana karazam-boankazo azo trandrahina tsara koa hono ilay nosy araka ny filazan'I Henri. Ny habetsaky ny ala no tena nahafaly an'i Francois, satria dia hitany tao ireo karazan-kazo maro azo anaovana rafitra, ka ho toy ny milalao ny fanapahana azy sy ny fandrafetana trano aminy. I Thomas kosa dia ny faritra be vato amin'ny nosy no tena nahaliana azy. Nomarihiny fa nisy famantarana maro manambara fa be harena an-kibon'ny tany ilay nosy. Na dia tsy manana fitaovana hary fomba hitran- drahana an'izany aza izy, dia vonona kosa hikaroka fomba hafa mba ahazoana manova ireo harena ireo amin'ny ilana azy.

Afaka miasa avy hatrany izany ny tsirairay araka ny fahaizany avy mba hanatsarana ny fiainana. Niara-niaiky ny rehetra fa avy amin'ny Mpandahatra izany rehetra izany ka mendrika indrindra raha midera azy

3- Ny tena harena

Ny tena harenaRaikitra ny asa. Nahavita trano sy fanaka maro ingahy mpandrafitra. Tamin'ny voalohany dia nionona tamin'ny sakafo izay hitany teny ry zareo mandrapahaton-gan'ny fotoam-pamokaran'ilay mpamboly.

Rehefa nifandimby teny ny taom-pamokarana, dia nihanitombo ny vokatra tao amin'ilay nosy. Nihananan-karena izy, tsy tamin'ny volamena na vola taratasy fa tamin'ny tena harena vokatry ny tany izay nahafahana nivelona, nitafy, nialofana, nahafaoka ny filana rehetra.

Tsy mora araka ny noeritreretin'izy ireo anefa ny fiainana. Misy zavatra maro tsy nananany izay efa nahazatra azy tany amin'ny fiainany taloha. Saingy azo lazaina fa tsara vintana ihany ry zareo niantefa teto amin'ity nosy ity.

Efa nahita fiainana sarotra ihany ry zareo tany amin'ny tanànany taloha, tany Eropa. Tsaroany ny fihafiany teo anatre-han'ny tranom-barotra feno hipoka. Fa aty amin'ny "Ile des naufragés" kosa dia tsy ho hitany intsony izany hoe vokatra simba fotsiny nefa tena ilaina izany. Tsy fantatr'io nosy io ihany koa ny hetra sy haba isan-karazany. Lavitry ny tebiteby amin'ny fandoavana trosa sy hetra ry zareo aty.

Na mafy aza ny asa dia manan-jo higoka ny vokatry ny hasasarany ny tsirairay.

Noho izany dia samy mitrandraka ny nosy ny mponina, sady misaotra an'Andria-manitra ary manantena fa indray andro any dia hahita ireo ray aman-dreny sy ny havan-tiana miaraka amin'ny harena sarobidy indrindra: ny aina sy ny faha-salamana.

4- Nisy zavatra nanahirana

Nisy zavatra nanahiranaMivory matetika ireto mpiara-monina ireto mandinika ny fandrosoan'ny asany.

Ao anatin'ny rafitra tsotra misy azy, dia misy olana iray tsy ahitam-panafany: Tsy misy vola. Ny takalo, ny fifanakalozana mivantana teo amin'ireo entana dia nisy fetrany ihany. Tsy mitovy matetika ireo entana atakalo, ary indraindray tsy mifanaraka mihitsy ny fifanakalozana. Ny fanaka nomena an'ingahy mpamboly tamin'ny maitso ahitra dia tsy voasolo raha tsy amin'ny main-tany rehefa miaka-bokatra, afaka enim-bolana farafahaingany.

Matetika koa dia zavatra vaventy no atolotry ny mpandrafitra ka ho takalon'io dia mila zavatra madinidinika isan-karazany izy izay tsy voatery ho azony amin'ny olona iray, nefa koa ilainy ao anatin'ny fotoana maro. Nihasarotra noho izany ny raharaha. Raha mba nisy vola manko tao anatin'izany rehetra izany, dia ho samy afaka nivarotra ny entany ny tsirairay ary koa nividy izay tiany avy eo, amin'ny fatrany sy amin'ny fotoana ilany azy avy, ary arakaraky ny zava-misy.

Samy niaiky ny rehetra fa tena ilaina ny vola. Saingy tsy nisy na dia iray aza tamin'izy ireo nahalala ny fanamboarana vola, na ny fanaparitahana azy amin'ny voalohany. Hainy ny namokatra ny tena harena, ny vokatry ny tany, saingy tsy hainy ny namorona ny marika dia ny mari-bola izany.

Tsy fantany hoe ahoana ny fiantom-bohan'ny vola, ahoana ny fanamboarana azy raha ohatra ka tsy misy mihitsy eo amin'ny fiarahamonina misy azy, eny na dia ny fanapahan-kevitra ho raisina aza teo anatrehan'izany dia tsy nahitany vaha-olana. Na dia ireo nandia fianarana aza dia azo antoka fa betsaka no sahirana toa azy ireo. Ireo mpitondra fanjakana dia nandalo tamin'izany daholo nandritra ny taona maro talohan'ny ady lehibe. Ny vola irery ihany no tsy misy eo an-toerana ary tsy afa-nanoatra ny mpitondra fanjakana teo anatrehan'izany.

5- Ilay vahiny

Ilay vahinyIndray hariva teo amoron-dranomasina, raha mbola variana nikaon-doha mikasika an'io olana io indrindra ireto namantsika, dia indro hitany tampoka lakan-kely tsy nitondra afa-tsy olona iray.

Samy nanao izay ho afany ny tsirairay tamin'ny fandraisana azy ary teo no nahafantarana fa anisan'ny avotra tamin'ilay lozam-pifamoivoizana an-dranomasina ihany koa ity vahiny, ary izy irery no tafita tamin'ny mpandeha niaraka taminy. Martin Golden no anarany.

Niampy iray indray ny mponina ka faly aoka izany ireto tompon-tanàna, nampiseho fandraisana nahafa-po ary nitondra ity vahiny nitsidika ny tanànany.

"Na dia lavitra ny fandrosoana sy ny olona rehetra aza izahay dia tsy dia manan-java-mahory loatra," hoy ireto tompon-tanàna tamin'ity vahiny. "Zavatra iray ihany no tsy misy eto aminay: Tsy manam-bola mihitsy izahay hanamoranay ny fifana-kalozana amin'ny zavatra vokarinay."

"Misaora ny kisendrasendra nitondra ahy nankaty aminareo, hoy i Martin. Tsy misy miafina amiko raha ny momba ny vola. Tompona banky aho ary afaka manangana fifandraisana ara-bola mahafa-po ho anareo ao anatin'ny fotoana fohy."

Tompona banky!… Tompona ban-ky…Na Anjely nilatsaka avy any an-danitra aza mety tsy nahazo fanajana toy izany. Efa zatra niantehitra tamin'ireo tompona banky ry zareo tany amin'ny tany man-droso, ireo ihany no afaka mibaiko ny famatsiam-bola!

6- Ilay andriamanitry ny fandrosoana

Ilay andriamanitry ny fandrosoana"Andriamatoa Martin, koa satria ianao no tompon'ny banky dia tsy miasa miaraka aminay ianao, fa kosa mian-draikitra tanteraka ny momba ny volanay."

"Raisiko am-pifaliana tokoa izany soso-kevitrareo izany, toy ny tompona banky rehetra, mba ho fitandrovana ny soa iombonana."

"Hanamboarana trano sahaza anao ianao amin'ny maha tompon'ny banky anao, Andriamatoa Martin. Mandrapiandry an'izany, dia afaka mipetraka ato amin'ity trano fivorianay ity aloha ianao."

"Tena mety tokoa izany ry sakaiza. Fa aleo aloha taomina amin'izay ny entana izay voavonjiko tamin'ilay lozam-pifamoivoizana an-dranomasina teo, fa mbola ao anatin'ilay lakana: fanaovan-gazety, taratasy sy ny mombamomba azy, ary indrindra ilay barika kely izay mila fitandremana manokana ny fitaterana azy."

Dia natao tokoa ny fitaomana ireo entana. Voasarika tanteraka tany amin'ilay barika kely ny sain'ireto mahery fo.

Dia hoy i Martin: "Io barika io, dia tena harena tsy misy toa azy. Volamena daholo no ao anatiny!"

Feno volamena! Saika tsy niverina ny sain'izy dimy lahy. Ny andriamanitry ny fandrosoana no tonga eto amin'ilay "Ile des naufragés". Ilay andriamanitra mavo, izay afenina foana, nefa mahery, mampa-tahotra, hany ka ny fisiany, ny tsy fisiany, na ny fiovany kely monja aza dia afaka manapaka ny momba ny fiainan'ny firenena zato.

"Volamena! Tena tompona banky marina ianao Andriamatoa Martin! Raiso tompoko ny haja sy ny dinam-pitokisana atolotray anao."

"Volamena ho an'ny kaontinanta iray manontolo ry sakaiza. Saingy tsy volamena hivezivezy. Tsy maintsy afenina ny vola-mena, satria izy no fanahin'ny vola salama rehetra. Noho izany ny fanahy dia tokony tsy ho hita maso. Hazavaiko aminareo izany rehefa manome anareo ny vola aho."

7- Fandevenana tsy nisy mpanatrika

Fandevenana tsy nisy mpanatrikaNy alina alohan'ny hisarahana dia nametraka fanontaniana farany I Martin:

"Ho fanombohana dia ohatrinona ny vola ilainareo eto amin'ny nosy, amin'izay mandeha tsara ny fifanakalozana eo aminareo."

Nifampijery ireto nanontaniana. Tamim-pahatsorana tanteraka no nanon-taniana izay hevitr'i Martin momba an'izany. Rehefa nanome ny heviny teo ilay tompona banky tsara fanahy, dia raikitra fa 200 dolara ($) isan'olona dia ampy hampan-dehanana ny raharaha. Ny ampitso hariva no fotoana hizarana ny vola.

Niparitaka ireo lehilahy, samy nilaza ny fihetseham-pony tamin'iny fisehoan-javatra iny. Nivadibadika ela vao nahita tory ny sasany, tao ny tsy natory raha tsy efa nadiva haraina ny andro, rehefa avy nanonofy mihiratra ny amin'ireo volamena.

Ho an'i Martin kosa dia sarobidy ny fotoana. Hadinony ny havizanany nandritra ny diany ny andron'io fa lasa any amin'ny ho avy mamirapiratry ny tompon'ny banky eto amin'ity nosy vaovao ity ny sainy. Vao nangiran-dratsy, dia niainga izy, nangady lavaka, nanafina ilay barika tao. Nototofany tsara, nasiany bozaka ary nampiany zavamaniry kely mihitsy aza teo amboniny mba tsy hisy hahatsikaritra ny fisian'ilay barika ao.

Rehefa vita izany dia nalefany ilay fanaovan-gazety nentiny mba hanam- boarany vola mitentina 1000$. Eo am-pandinihana ny vola vaovao, dia niteny irery Andriamatoa Martin:

Zavatra tena tsotra ny fanam-boarana vola. Ny vokatra hampiakarin-dry zareo no hampanan-kery azy avy eo. Raha tsy izany dia tsisy ilana azy ireto taratasy ireto. Tsy takatr'ireto mpanjifako ireto akory izany. Mihevitra izy fa ny volamena no mampisy lanjany ny vola. Azoko tamin'ny tsy fahaizany ireto.

Samy nanatona an'i Martin izy dimy lahy ny harivan'io!

8- An'iza ny vola vaovao

An'iza ny vola vaovaoAntontam-bola taratasy dimy avy hatrany no milahatra eo ambony latabatra.

"Alohan'ny hizarana ny vola aminareo, dia aleo aloha hazava ny resaka, hoy ingahy tompom-bola."

"Ny vola dia miankina amin'ny vola-mena. Ny volamena, izay tsara pirina ato amin'ny bankiko dia ahy. Noho izany ahy ny vola. Eh, aza malahelo fa ampindramiko anareo io vola io dia azonareo ampiasaina amin'izay ilanareo azy. Mandrapamerinareo azy dia tsy maka afa-tsy zanabola aho. Koa satria ny vola tsy fahita eto an-toerana, ary tena tsy misy mihitsy, dia ataoko fa rariny raha mba maka zanany kely 8 isan-jato fotsiny aho."

"Marina izany Andriamatoa Martin, tena olona malala-tanana mihitsy raha ianao."

"Farany, ny fifanarahana dia fifana-rahana, na dia samy mpinamana aza. Alohan'ny handraisanareo ny vola, dia manao sonia eto amin'ity taratasy ity ianareo: io no manamarina fa manaiky ianareo handoa ny renivola sy ny zanabola, raha tsy izany dia lasako daholo ny fanananareo. Antoka tsotra fotsiny io, fa tsy misy ilako ny fanananareo akory, fa ny vola ihany dia ampy ahy. Mino aho fa tsy hiala aminareo ny fanananareo ary haverinareo ny volako."

"Tena feno fahendrena mihitsy izany teninao izany, Andriamatoa Martin, hiasa avo roa heny noho ny teo aloha mihitsy izahay dia haverinay ny volanao rehetra."

"Izay mihitsy, ary aza misalasala manatona ahy raha ohatra ka manana olana ianareo. Ny tompona banky no tena sakaiza tsara indrindra eto an-tany….Ka indro àry, samy manana 200 $ avy ianareo."

Faly loatra izy dimy lahy nandeha namonjy ny fodiany avy, ny vola misy, ny aina matanjaka.

9- Misy kajy tsy mety

Misy kajy tsy metyDia nihodina teo amin'ilay nosy tokoa ny vola nomen'i Martin. Nitombo ihany koa ny fifanakalozana sady nihamora hatrany. Samy afa-po ny rehetra ka niarahaba an'I Martin amim-panajana sy feno fankasitrahana tanteraka rehefa mifanena aminy.

Kinanjo, nanomboka niahiahy ingahy mpitrandraka vato. Ny vokatry ny asany dia mbola any ambanin'ny tany, nefa ny volany efa manify dia manify sisa eo am-pelatanany. Inona no homena an'ingahy tompom-bola amin'ny fotoana nifanaraha-na?

Rehefa namakafaka ny olana teo aminy i Thomas dia nandinika izay mety ho fiatraikan'izany eo amin'ny fiarahamonina misy azy.

"Raha raisina ny olona rehetra eto amin'ny nosy, hoy ny eritreriny, afaka hitazona ny teninay ve izahay?

Tsy nanamboatra afa-tsy 1000 $ i Martin, nefa izy mangataka aminay 1080 $. Ka na horaofina daholo aza ny vola rehetra eto amin'ny nosy dia tsy hisy afa-tsy 1000$ fa tsy ho lasa 1080$ mihitsy. Tsy nisy nanamboatra tsinona ilay 80 $ amboniny, satria zavatra no vokarinay fa tsy vola. Lasan'i Martin daholo izany ny nosy iray manontolo, satria izahay miaraka aza tsy hahavoaloa ny renivola sy ny zanabola mitambatra mihitsy."

Raha hisy afaka hamerina ny azy, tsy miraharaha ny hafa, dia hisy hidoboka eo no ho eo, ary hisy hiaritra eny ihany, saingy tsy maintsy ho lasan'ilay tompom-bola ihany ny fananany rehetra. Ny tena tsara dia mitambatra dieny izao mba handaminana haingana ny fiarahamonina.

Tsy dia nanahirana loatra an'I Thomas ny nandresy lahatra ny namany fa hay nofitahin'I Martin ry zareo. Nifanaraka fa hihaona amin'ingahy tompon'ny banky ry zareo rehefa avy eo.

10- Fahamoram-pon'ilay tompon'ny banky

Fahamoram-pon'ilay tompon'ny bankyTsinjon'i Martin avy hatrany ny fihetseham-pon'ireto mpiara-monina aminy saingy niseho tsy rototra izy. Avy hatrany koa dia novantanin'i Francois ny resaka:

Ahoana no ahafahanay mamerina 1080 $ raha tsy misy afa-tsy 1000 $ eto amin'ny nosy iray manontolo.

Izay no atao hoe zanabola ry sakaiza mahafinaritra. Moa tsy nitombo ve ny famokarana nataonareo?

Manaiky izahay, saingy ny vola kosa tsy mba nitombo. Nefa dia vola no takianao fa tsy vokatra akory. Ianao irery ihany no afaka manamboatra vola, ianao tsy nanamboatra afa-tsy 1000$, nefa mitaky 1080$. Zavatra tsy mitombina mihitsy izany.

Andraso aloha. Ny banky dia tsy maintsy miaina amin'ny zava-misy ho fitsinjovana ny tombotsoan'ny besini-maro…Izaho tsy mangataka aminareo afa-tsy ny zanabola, izany hoe ny 80$ ihany. Afaka tazominareo ny renivola.

Tsy mandoa trosa intsony izany izahay?

Tsia, ialako tsiny, ny banky dia tsy mamafa trosa na oviana na oviana. Tsy maintsy mbola averinareo amiko ihany io renivola nindraminareo io. Fa isan-taona aloha dia tsy maintsy aloanareo ny zanabola fa tsy mbola nanery anareo handoa ny renivola aho. Ny sasany ami-nareo mety tsy hahavoaloa ny trosany intsony na dia ny zanabola aza, satria ny vola mihodina any amin'ny sasany. Noho izany, mifanaraha ianareo, atsangano ny fanjakana, manangana fomba fanangonana vola, ohatra hoe hetra. Angalanareo hetra misimisy kokoa izay manam-bola bebe kokoa, ary izay tsy dia manana akana hetra maivamaivana. Rehefa voaloanareo ny fitambaran'ny zanabola, dia milamina aho, ary ny fanjakanareo handeha tsara.

Rehefa izay dia niparitaka izy dimy lahy, somary nitonitony na dia lasalasa saina ihany aza..

11- Feno ny fahasambaran'i Martin

Feno ny fahasambaran'i MartinMartin irery no sisa teo, tony tsara izy no sady namarana hoe :

Mandeha tsara ny raharahako. Mpiasa be ireto izy saingy bado, ary ny tsy fahaizany sy ny habadoany no tena heriko. Mila vola izy, dia nofatorako. Mitoraka voninkazo ahy izy mandritra an'izaho manambaka azy.

Oh, ry tompona banky, reko ny halehiben'ny tompon'ny banky manenika ny tenako. Tena hainao mihitsy ny nilaza azy ry ingahy mpampianatra: "Omeo ahy ny fanaraha-maso ny volam-pirenena fa tsy misy antony amiko intsony izay mpanao ny lalàny." Izaho no tompon'ity nosy ity satria izaho no mibaiko ny volany. Azoko baikoina izao rehetra izao. Izay azoko atao eto, izaho Martin Golden, dia azoko atao eran'izao tontolo izao. Tsy ho tafavoaka amin'ity nosy ity angaha aho fa dia haiko tsara ny mitondra ny tany rehetra tsy mila mandray fahefana.

Dia hitan'i Martin tao anatin'izany nofinofiny izany daholo ny firafitry ny banky rehetra!

12- Nihalafo ny fiainana

Nihalafo ny fiainanaIndrisy anefa fa niharatsy hatrany ny fandehan-javatra tao amin'ilay nosy. Nitombo hatrany ny vokatra fa ny fifana-kalozana kosa nihena. Etsy an-daniny, tovozin'I Martin miandalana ny zanabola. Tsy maintsy manokana vola foana homena azy, ny vola amin'io mihisatra, tsy mety mihodina intsony.

Izay mandoa hetra betsaka mitabataba any amin'ny hafa, ary dia manondrotra ny vidin'entana ao aminy mba hanarenana an'izany. Ireo izay mahantra, tsy mandoa hetra mikaikaika amin'ny halafon'ny vidin'entana, ary mihena ny fahefa-mividy.

Mihakivy ny olona, lasa ilay filaminan-tsaina fahiny. Tsy dia mifantoka loatra intsony amin'ny asa, satria tsy misy antony iasana intsony: Ny entana tsy lafo, ary raha mahalafo, dia tsy maintsy angalana homena an'i Martin. Mihafy daholo amin'ny zavatra rehetra, tena sarotra ny fiainana, hany ka lasa mora ho azy ny manendrikendrika ny hafa ho fototry ny fahoriany: Noho ny tsy fahaizany mandray andraikitra dia izao mihalafo hatrany ny fiainana.

Indray andro, tany an-tsaha, nieri-treritra mafy i Henri, farany izy nahita fa ny fandrosoana nentin'ny rafitra ara-bola natoron'ilay tompona banky no nanakorontana ny fiainana tao amin'ilay nosy. Tsy azo lavina mihitsy fa nisy ny fahadisoan'izy dimy lahy, saingy ny soso-kevitr'i Matin koa namelona izay tena hevi-dratsy misy ao amin'ny nosy amin'izao fotoana izao.

Tapa-kevitra ny handresy lahatra ny namany i Henri. I Jacques no nanom-bohany azy, ary tsy ela akory dia hoy ity farany: "Eh, izaho aloha tsy manam-pahaizana saingy efa ela no ohatran'ny nahamailomailo ahy io zavatra io. Io rafitra nentin'ingahy tompona banky io dia mbola maimbo noho ny zezika ao am-pahitrako nanomboka tamin'ny herintaona."

Dia resy lahatra daholo ny rehetra àry dia hisy fihaonana indray amin'I Martin.

13- Tany amin'ilay mpamatotra

Tany amin'ilay mpamatotraTonga dia raikitra ny ady tany amin'ilay tompon'ny banky.

Tsy misy vola intsony eto an-toerana andriamatoa satria nalainao daholo. Man-doa vola any aminao foana izahay nefa dia tsy mihena ny trosanay fa toy ny tamin'ny voalohany ihany. Ny asa mitohy, ny tany mihatsara, nefa dia indro miharatsy noho ny talohan'ny nahatongavanao ny fiainanay. Trosa, trosa, trosa foana, mandi-fotra mihitsy.

Ahoana kosa àry ry sakaiza isany, mba mandiniha kely fotsiny e. Matoa mihatsara ny taninareo, dia noho ny nataoko. Rafitra ara-bola matanjaka no tena herin'ny firenena. Mba ahafahana mahazo tombony amin'izany dia mila matoky ny banky aloha ianareo voalohany indrindra. Raiso toy ny hoe raiamandreny aho…Mbola mila vola ve ianareo? Tsy maninona. Ny volamena iray barika ato mbola mihoatra lavitra ny 1000$ ny sandany….Andraso, ataoko antoka ny fanananareo dia ampindramiko vola indray ianareo.

Avo roa heny izany ny trosa? Noho izany avo roa heny ihany koa ny zanabola, izay tsy maintsy haloa isan-taona, tsy misy fiafarany?

Mazava ho azy, saingy ampin-dramiko foana ianareo, isaky ny mitombo ny taninareo, ary tsy mandoa n'inon'inona amiko ankoatran'ny zanabola ianareo. Rehefa mitambatambatra ao ny trosanareo dia lasa trosa mafy orina (dette consolidée), trosa izay mitombo isan-taona, fa ny vola miditra aminareo koa mitombo ohatran'izay. Noho ny fampindramako vola taminareo dia handroso ny firenenareo.

Izany hoe isaky ny mitombo ny vokatra dia mitombo ihany koa ny trosa?

Ohatran'ny any amin'ny firenena mandroso rehetra ihany. Ny trosam-panjakana no fandrefesana ny filaminany.

14- Amboadia mihinana zanak'ondry

Amboadia mihinana zanak'ondryIzany ve no antsoinao hoe vola madio andriamatoa Martin? Trosa tsy azo ialàna ary tsy ho voaloa intsony, tsy madio izany fa maloto.

Ny vola ara-dalàna rehetra dia tsy maintsy miainga amin'ny volamena daholo ary mivoaka any amin'ny banky amin'ny alalan'ny trosa. Ny trosam-panjakana dia zavatra tsara, izy no mametraka ny mpitondra fanjakana eo ambany fiarovan'ny fahendren'ny banky. Amin'ny maha-banky ahy dia izaho no jiron'ny fandrosoana eto amin'ny nosinareo.

Andriamatoa Martin, izahay moa tsy dia manam-pahaizana loatra saingy dia tsy misy ilanay an'izany fandrosoana lazainao izany. Tsy hindrana vola aminao intsony izahay na ny ariary aza. Na vola madio na vola maloto, tsy hifampiraharaha aminao intsony izahay.

Dia miala tsiny indrindra aho ry izy mirahalahy isany fa raha ohatra tapahi-nareo ny fifanarahantsika, dia tazomiko amin'ny sonianareo ianareo. Avereno daholo ny volako izao dieny izao: renivola sy ny zanany.

Ka tsy hisy mihitsy izany andria-matoa, eny na dia homeny anao daholo aza ny vola rehetra eto amin'ny nosy, dia mbola tsy ho afa-trosa ihany izahay.

Tsy misy azoko atao amin'izany. Ka tsy nanao sonia ary ve ianareo? Eny! Hitanareo amin'izany, mazava ho azy fa lasako daholo ny fanananareo rehetra izay natao antoka, araka ny fifanarahana nataontsika tamin'ny fotoana nahafaly anareo tamin'ny fahatongavako. Rehefa tsy tianareo ny hiasa amim-pahatsorana ho an'ny vola, dia hanompo azy amin-kery ianareo. Trandrahanareo ihany ny harena eto amin'ny nosy, saingy ho ahy ary araka izay tadiaviko. Mandehana daholo dia rahampitso aho manome ny baiko.

15- Ny fanaraha-maso ny fampa-halalam-baovao

Ny fanaraha-maso ny fampa-halalam-baovaoToa an'i Rothschild, dia fantatr'i Martin, fa izay mibaiko ny rafitra ara-bolan'ny firenena iray no mibaiko an'io firenena io. Ary fantany ihany koa fa raha tiana ny hitazona an'io toerana io dia mila tarihina mankany amin'ny tsy fahalalana ny olona, ary koa atao izay hahavery dia azy amin'ny zavatra hafa.

Tsikaritr'I Martin fa tsy mitovy hevitra izy dimy lahy ireto; ny roa mpandala ny nentim-paharazana mifa-nohitra amin'ny telo izay mirona amin'ny fanalalahana. Tsapany izany tamin'ny resak'izy ireo indray hariva, indrindra hatramin'ny naha-teo ambany fifehezany azy. Dia mifanditra eo ry zareo hoe ny anay no izy, ny anay no izy…

Matetika i Henry, izay tsy dia mirona loatra amin'izy rehetra, no manoro hevitra ny mponina mba hanery ny mpitondra fanjakana amin'ny alalan'ny hery…hery atahoran'ny mpanao didy jadona rehetra. I Martin izany no handray andraikitra hanampy trotraka, araka izay azo atao, ny tsy fifanarahana ara-politika misy eo amin-dry zareo.

Nampiasainy ny fanaovan-gazetiny mba hamoahany vaovao isan-kerinandro; Masoandro ho an'ny andaniny ary Kintana ho an'ny ankilany. Ny Masoandro mana-mafy: "matoa ianareo tsy tompon'ny fahe-fana intsony eo amin'ny taninareo dia noho ny trosan'ireo mpandala ny fanalalahana ireo, tsy maintsy maka zanany ambony be foana". Dia mamaly ny ankilany: "Ny trosam-panjakana dia asan'ny mpandala ny nentim-paharazana, te hilalao politika".

Dia nihamafy hatrany ny fifandran-gitana nataon'ireto namantsika, ka hadi-nony tanteraka fa ny fototry ny olana dia i Martin ilay mpiadidy ny vola.

16- Vakin-tsambo sarobidy

Vakin-tsambo sarobidyIndray andro, raha ilay nintrandraka vato iny i Thomas, dia nahita vakivakin-tsambo, tsy misy fivoy, tsara pirina tao anaty lavaka tsy dia lalina loatra, tsy ahitana soritra izay antony nampiasana azy. Tao anatin'io nisy vata izay fanahy iniana nasitrika tao mihitsy no fijery azy.

Nosokafany ilay vata ka indro lamba sy fitaovana isan-karazany no tao. Fa ny tena nanaitra azy dia ilay boky toa voalamina tsara teo akaikiny mitondra ny lohateny hoe: "Vers Demain, taona voalohany."

Naka toerana i Thomas ary nanom-boka nanokatra ilay boky, namaky, nandalina ary dia nihiratra ny masony.

"Izao mihitsy no tokony mba fantatray hatramin'izay ela izay, hoy izy tsy nahatana intsony."

"Tsy ny volamena mihitsy no mampisy lanjany ny vola, fa ny vokatra izay vidiana aminy."

Ny vola koa dia mety ho toy ny kaonty tsotra, ny trosa mety mifindra amin'ny kaonty iray mankany amin'ny hafa, araka-raky ny fifanakalozana. Ny fitambaran'ny vola mifandanja amin'ny fitambaran'ny vokatra.."

Isaky ny misy fisondrotan'ny famokarana dia tokony hitombo miaraka an'izany koa ny vola mihodina eo amin'ny firenena. Tsy tokony hisy zanabola izany amin'ny kaonty vao sokafana…ny fan-drosoana amin'io miseho amin'ny alalan'ny anjara tombotsoan'ny tsirairay "dividende à chacun", fa tsy amin'ny alalan'ny trosam-panjakana mihitsy…Ny vidin'entana, ampifanarahana amin'ny fahefa-mividy amin'ny alalan'ny taham-bidy "coefficient de prix". Ny volam-bahoaka…

Tsy tafapetraka teo intsony i Thomas. Nitsangana izy ary lasa nihazakazaka, niaraka tamin'ilay boky, nampahafantatra ny zavatra mahafaly azy tamin'ireo namany.

17- Vola: kaonty tsotra

Vola: kaonty tsotraDia nitsangana ho mpampianatra mihitsy i Thomas.

Izao no tokony nataontsika hatra-min'izay, tsy mila banky, tsy mila volamena, tsy mila mitrosa akory.

Manokatra kaonty amin'ny anara-nareo tsirairay avy aho. Eo amin'ny ilany havanana, ny vola miditra, izany hoe izay rehetra ampiana amin'ilay kaonty, ary amin'ny havia, ny vola mivoaka, izay miala amin'ilay kaonty.

Mila 200$ avy isika tamin'ny voa-lohany. Dia mifanaraka fa hampiana 200$ daholo ao amin'ny ilany havanana amin'ilay kaonty. Izany hoe samy manana 200$ daholo ny tsirairay izao.

Raha mividy entana 10$ any amin'i Paul i Francois, dia analako 10$ ny kaontin'ny Francois, 190$ sisa ny volany, ary ampiako 10$ ny an'i Paul, dia lasa 210$ izany izao ny azy.

Avy eo indray i Jacques mividy entana 8$ any amin'i Paul, dia analana 8$ izany ny kaontin'i Jacques dia 192$ sisa, ary ampiana 8$ ny an'i Paul, dia lasa 218$.

Raha mividy hazo 15$ any amin'i Francois i Paul, dia analana 15$ ny kaontin'i Paul, dia 203$ izany ny azy sisa, ary ampiana 15$ ny an'i Francois dia lasa 205$ ny volany.

Dia toy izany hatrany, miala amin'ny kaonty iray mankany amin'ny kaonty iray, ohatran'ny hoe misy vola miampitampita.

Raha misy mila vola betsaka ny iray amintsika mba hampitomboany ny famoka-rana ataony, dia anokafana kaonty mifanaraka amin'izany izy, saingy tsy misy zanany. Mamerina izy rehefa mahalafo ny vokatra. Toy izany ihany koa raha ohatra hanao asa ho an'ny vahoaka.

Ampitomboina matetika ihany koa ny kaontin'ny tsirairay amin'ny alalan'ny fandrotsahana vola izay tsy alaina amin'ny kaontin'ny hafa, fa kosa ampifanarahana amin'ny fandrosoana misy eo amin'ny fiarahamonina. Izay ilay antsoina hoe anjara tombotsoam-pirenena "dividende na-tional". Amin'izay fotoana izay dia lasa fitaovana fiasana ny vola

18- Ny fahakivian'ilay tompon'ny banky

Ny fahakivian'ilay tompon'ny bankySamy nahazo ny fandehan-javatra ny rehetra. Lasa mpandala ny fampisam-borana (créditiste) ilay nosy kely. Ny ampitson'io, nahavoaray taratasy tamin'izy dimy lahy ilay tompon'ny banky.

"Andriamatoa, nambakainao izahay sady nataonao bokan'ny trosa tsy amin'antony. Tsy mila anao hiadidy ny volanay intsony izahay. Efa hanana ny volanay izahay manomboka izao, tsy mila volamena, tsy mila trosa, tsy mila mpangalatra. Atsanganay haingana eto amin'ny nosy ny rafitra fampindramam-bola ho an'ny fiarahamonina "crédit social", ka ny anjara tombotsoam-pirenena no hisolo toerana ny trosam-panjakana.

Raha ohatra ka tsy maintsy averina ny volanao dia ireny omenay anao daholo ny vola rehetra nomenao anay, tsy mihoatra izay nomenao anay, satria tsy afaka mangataka mihoatra noho izay nomenao anay ianao.

Kivy tanteraka i Martin. Nirodana ny fanjakany. Tsy misy miafina amin'izy dimy lahy lasa mpandala ny fampindramam-bola ho an'ny fiarahamonina intsony ny momba ny vola, sy ny fampisamboram-bola.

Inona no hatao, hiala tsiny amin-dry zareo ve sa hiova ho tahaka an-dry zareo? Izaho izay tompon'ny banky no andeha hanao an'izany? Sanatria, aleoko mitokana tsy mifandray amin-dry zareo.

19- Fiamboniana naverina amin'ny toe-rany

Fiamboniana naverina amin'ny toe-ranyMba hialana amin'izay mety ho fitakiana hataon'i Martin rahatrizay, dia nasain'izy dimy lahy nanao sonia taratasy i Martin, izay manamarina fa mbola any aminy daholo ny fananana rehetra nentiny teto amin'ny nosy. Vokatr'izany, natao ny fanisana ny fananany rehetra: ilay lakana, ny fanaovan-gazety,..ary ilay bari-ka…Nasaina natoron'i Martin ny toerana, ary avy hatrany dia nohadiana ny lavaka. Tsy dia nasian-dry zareo hasiny loatra intsony ilay barika rehefa namoaka azy tao an-davaka ry zareo. Ny fampisamborana ho an'ny fiarahamonina "crédit social" dia efa nampianatra azy sahady tsy hanompo ny volamena intsony.

Teo ampibatana ilay barika dia niteny ingahy mpitrandraka vato fa maivana loatra raha izany no barika feno volamena. Manahy aho fa tsy feno volamena akory io barika io, hoy izy.

I Francois, izay somary maherihery setra amin-dry zareo moa dia tsy nisalasala fa avy hatrany dia novakiany tamin'ny famaky ilay barika ka indro niparitaka ny tao anatiny. Tsy nisy volamena na dia iray grama aza, karazana vato tsy dia manaitra akory no tao anatiny.

Saika tsy nino izy dimy lahy.

Ity isika dia nanaiky nampatorian'ilay tsy mataho-tody iny tamin'ireto zavatra tsisy dikany ireto. Tena bado marina isika matoa teny iray monja hoe "VOLAMENA" dia ampy nampatoriana antsika.

Ity isika dia nanao antoka ny fana-nantsika rehetra mba hahazoana taratasy miankina amin'ireto vato tsisy dikany ireto. Tena mpangalatra sady mpandainga.

Ity isika dia niady sy nifandramatra nandritra ny fotoana maro noho ny hambom-po diso toerana. Tena demony mihitsy iny.

Vao nandray ny famakiny i Francois tonga dia lasa nanao tongotra an-katoka nankany anaty ala ilay tompon'ny banky

 

Tsy naharenesana tohiny intsony ny momba an'i Martin taorian'ny namakiana ny barikany sy ny fitaka bevava nataony.

Taty aoriana, nisy sambo diso lalana nandalo teny amin'ny moron'ilay nosy. Nahatsikaritra ny mpandeha fa misy mipetraka ilay nosy ary dia nijanona teo ry zareo.

Tamin'izany no nahafantarana fa ho any Amerika Atsimo ity sambo ity. Nangoniny daholo ny entany izay azony nentina ka tapa-kevitra izy dimy lahy fa hiverina any amin'ny taniny miaraka amin'ity sambo ity.

Anisan'ny nentin-dry zareo koa ilay boky "Vers Demain, Taona voalohany", izay namonjy an-dry zareo teo ambany fifehezan'I Martin mpanam-bola, ary koa nahitan-dry zareo fahazavana tsy azo vonoina intsony.

Nifanaraka izy dimy fa vantany vao tonga any amin-dry zareo dia hanatona ny tompon'andraikitry ny gazety "Vers Demain", mba handalina misimisy kokoa ny fampisamborana ho an'ny fiarahamonina.

About the Author

Your Cart

Latest Issue

Newsletter & Magazine

Donate

Donate

Go to top
JSN Boot template designed by JoomlaShine.com