French flagpolish flagspanish flag

Any amin'ny banky no misy ny fahefana ara-bola

Written by Louis Even on Friday, 19 January 2018. Posted in Lahatsoratra

Soratra kely amin'ny ranomainty dia teraka ny vola.

Soratra kely amin'ny ranomainty ihany koa dia maty ny vola.

Any amin'ny Antenimiera no misy ny fahefana mpanao lalàna satria any ny lalàna rehetra no volavolaina sy fidiana.

Any amin'ny biraon'ny ministera isan-karazany no misy ny fahefana mpana-tanteraka satria ny Minisitra sy ny kabinetra isan-karazany ao aminy no mandray ny fanapahan-kevitra izay ampanaoviny an'ireo mpiasam-panjakana.

Any amin'ny Tribonaly, no misy ny fahefana mpitsara, any amin'ny lapan'ny fitsarana, satria any ny mpitsara no manao ny asany.

Ary aiza no misy ny fahefana fara-tampony, ny fahefana mpanao vola?

Any amin'ny banky no misy ny fahefana mpanao vola. Satria tokoa dia any anatin'ireny banky ireny no miantomboka sy miafara ny famatsiana ara-bola (credit financier).

Rehefa mampindrana vola ny banky, na amin'ny mpandraharaha, na amin'ny mpivarotra, na amin'ny fanjakana, dia manomboka ny famatsiana vaovao. Soratan'ny mpiasan'ny banky ny sandan'ny vola nampindramina, eo amin'ny vola miditra amin'ny kaontin'ilay mpindrana, ka toy ny hoe nametraka vola tao izy. Kanefa ilay mpindram-bola tsy nametraka na nitondra vola nankany amin'ny banky, fa kosa nahazo vola.

Mahazo seky izy rehefa mivoaka ao amin'ny banky, izay tsy nanany talohan'ny nidirany tao.

Tsy misy kaontin'olon-kafa izay nametraka vola tao amin'ny banky mihena mihitsy ao anatin'izany rehetra izany, fa kosa kaonty vaovao manampy an'izay rehetra efa misy eo. Ny fitambaran'ny vola miditra amin'ny kaonty rehetra ao amin'ny banky izany no nisondrotra tamin'io kaonty vaovao io.

Noho izany, dia misondrotra ihany koa ny famatsiana ara-bola. Misy vola amin'ny endriny vaovao indray mihodina eo amin'ny fifanakalozana amin'ny alalan'ny seky, izay omen'ny banky ny mpanjifa mindrana vola ao aminy.

Mifanohitra amin'izany indray rehefa mamerina ny vola nindraminy ilay mpin-drana, dia mihena an'io vola io ny vola mihodina eo amin'ny fifanakalozana. Mihena izany ny rà mihodina ao amin'ny fiainana ara-toe-karena.

Fanamboarana kaonty tsotra amin'ny penina sy ranomainty no miteraka ny famatsiana ara-bola. Dia fanamboarana kaonty tsotra toy izay ihany koa no mamarana ny fiainan'ny famatsiana ara-bola iray.

Mazava ho azy fa raha ohatra ka ny fitambaran'ny famatsiana nampindramina no betsaka noho ny fitambaran'ny famatsiana naverina, ao anatin'ny vanim-potoana iray, dia betsaka kokoa izany ny vola mihodina ao anatin'ny fanakaalozana noho ny vola sintonina ao amin'ny fifanakalozana. Mifanohitra amin'izay, raha ny fitambaran'ny famerenam-bola no betsaka noho ny fitambaran'ny famatsiana dia mihena koa izany ny vola mihodina ao anatin'ny fifanakalozana.

Misy fiantraikany amin'ny lafiny toe-karena ny faharetan'ny fotoana mahakely ny famatsiana noho ny famerenam-bola. Izay ilay antsoina hoe krizy, vanim-potoana mandalo fahasahiranana vokatry ny fame-rana ny famatsiana ara-bola.

Tsy tongatonga ho azy ireny vanim-potoana fitomboana na fihenan'ny famatsiana ireny, fa vokatry ny asan'ny banky, arakaraky ny fandehan'ny fampisamborana sy ny famerenam-bola ao amin'ny banky.

Koa satria izay mindram-bola dia tsy maintsy mamerina mihoatra noho izay nindraminy, noho ny fisian'ny zanabola, dia mazava ho azy fa betsaka kokoa izany ny vola sintomina ao anatin'ny fifanakalozana noho ny vola ampidirina. Mila misintona mihoatra noho izay nampidiriny ny banky amin'ny alalan'ny fakany amin'izay vola mihodina eo an-toerana. Miainga any amin'ny banky daholo ny famatsiana rehetra, ary arahina fepetra dia ny famerenana mihoatra noho izay noraisina noho izany dia voatery manomana findramana vaovao indray handoavana ny tombony. Bebe kokoa ny zanany alaina amin'ity faharoa ity noho izy sady mandoa ny zanabola mifanaraka aminy no mbola tsy maintsy mandoa ihany koa ny zanabola nateraky ny findramana voalohany.

Dia mitohy toy izany hatrany isaky ny misy findramam-bola fanampiny, farany mitombo hatrany amin'ny tsy azo anoharana intsony ny trosa. Noho izany dia ahenan'ny banky ny fampindramam-bola ataony, ary dia mihena arak'izany ihany koa ny fifanakalozana eo amin'ny sehatry toe-karena iray manontolo, ka ny vahoaka no tena iantefan'ny voka-dratsiny.

Voatery miditra amin'ny findramam-bola tsy misy fiafarany raha tiana hiverina amin'ny laoniny ny habetsaky ny famatsiana ilain'ny lafiny toe-karena.

Fitaovan'ny fahefana fara-tampony

Ny firafitry ny banky amin'izao fotoana izao no fitaovana ampiasain'ny fahefana tampony momba ny vola hitazonany ny fahamboniany mihoatra noho ny vahoaka sy ny governemanta. Manampy azy eo koa ny fitsipika momba ny politika sy ny volam-panjakana isan-karazany, izay mamatotra ny fanaparitahana ny fahefa-mividy amin'ny fananana asa, ao anatin'ny famokarana izay miha-tsy mila mpiasa intsony amin'ny fanamboarana ny zavatra ilaina amin'ny fiainana andavanandro.

Izany akory tsy midika hoe anisan'izany ny banky eo amin'ny faritra misy anao. Anisan'ny olom-pehezina ihany koa izy izay mety tsy mahatsapa akory hoe isaky ny mandray an-tsoratra ny fampindramam-bola vaovao ao amin'ny bokin'ny bankiny izy dia mamorona vola vaovao, ary isaky ny manoratra ny vola naverin'ny mpindram-bola izy dia manala vola eo amin'ny fifanakalozana.

Tsy izy ihany koa no mamoaka ny lalàna momba ny famerana ny fampisamborana izay manala ny ràn'ny fifanakalozana eo amin'ny lafiny toe-karena. Tsy manao afa-tsy manaraka ny baiko azony izy, ary tsy mieritreritra izay mety ho vokatr'izany.

Mbola hisy olona koa hilaza fa tsy miankina amin'ny asan'ny banky ny habetsaky ny fampisamborana ho an'ny famatsiana. Ireny olona ireny dia manohana ny fahefana tampony, noho ny tsy fahalalàna na koa mody tsy mahalala noho ny antony manokana, amin'ny alalan'ny firaisan-tetika mba hahazoana fisondrotam-pahefana haingana kokoa.

Ireo mpiasan'ny banky any amin'ny toerana ambonimbony kokoa, izay mpamboatra ny ankabetsahan'ny vola maoderina dia mahafantatra tsara fa ny fampisamborana ho an'ny famatsiana, dia teraka ary koa maty ao anatin'ny boky ben'ny banky (grands-livres).

Tamin'ny 1934, nilaza toy izao i Reginald McKenna, anisan'ny niavaka tamin'ny mpiasan'ny banky anglisy, izay efa avy Chancelier de l'Echiquier (Ministre de la Finance), ary koa Chairman de la Midland Bank (Anisan'ireo Banky dimy lehibe indrindra any Angleterre) nandritra ny taona maro, nandritra ny fivoriana fanaon'ireo tompon'antoka ao amin'io banky io isan-taona:

"Amin'ny ankapobeny dia tsy fantatry ny vahoaka mihitsy fa miankina amin'ny banky ny habetsahan'ny vola mihodina any anatin'ny fifanakalozana. Ny fampisamborana rehetra ataon'ny banky na mivantana na tsy mivantana (par découverte) dia mampitobaka ny vola ao anatin'ny fifanakalozana, ary mihena kosa izy amin'ny famerenana ny fampisamborana nataon'ny banky."

Amin'ny maha-minisitry ny vola azy taloha (Ex-Chancelier de l'Echiquier), dia fantany tsara ny toerana misy ny lehibe indrindra amin'ireo fahefana roa ireo: ny an'ny banky sy ny an'ny governemanta. Izao no voalazany momba an'izany: "Ny banky no miadidy ny fampisamborana vola ho an'ny firenena, izy no mitarika ny sori-dalan'ny governemanta ary eo am-pelatanany ny fiainan'ny vahoaka."

Milaza fahamarinana toy izany koa i Pie XI, ao anatin'ny Quadragesimo Anno, nosoratany: "Izy ireo no manapaka ny fampisamboram-bola ary manome an'izany araka izay tiany, …eo am-pelatanany ny fiainana ara-toe-karena, ka tsy misy afaka miaina raha tsy mahazo alalana avy aminy."

Nadikan'i Dina A. RAZAFIMAHATRATRA

About the Author

Your Cart

Latest Issue

Newsletter & Magazine

Donate

Donate

Go to top
JSN Boot template designed by JoomlaShine.com